Notontosaina ny faha 26 aprily 2023 ny fihaonan’ireo Tomponandraikitra tamin’ny vahoaka manerana ny Distrika Antananarivo Atsimondrano momba ny fanatontosana ny tetikasa famatsiana herinaratra « Branchement MORA ». Tonga maro teny anivon’ireo Kaominina rehetra ato Atsimondrano ny mponina liana sy te hisitraka ny tetikasa izay marihana fa tetikasa novolavolain’ny Fanjakana ka iarahana manatanteraka amin’ny orinasa JIRAMA.
Fisoratana anarana ho an’ireo hisitraka ny tetikasa no natao ary ny Fokontany no manangona ny antotan-taratasy sy manatitra izany eny anivon’ny orinasa JIRAMA (agence JIRAMA).
Araka ny fanazavana dia telo alina ariary (Ar. 30 000) no saran’ny fampidirana ny herinaratra, ary eny anivon’ny agence JIRAMA irery ihany no andoavana izany vola izany rehefa mahazo ny taratasy maneho ny tomban’ny saram-pisitrahana ny mpahazo tombon-tsoa