INAUGURATION
Notontosaina ny faha 25 martsa 2023 ny fotokanana ireo fotodrafitrasa momba ny fampiroboroboana ny fampianarana ao amin’ny Kaominina Androhibe, Distrika Antananarivo Atsimondrano : CEG sy Lycée Manarapenitra.
Ireo fotodrafitrasa ireo no tontosa sy afaka ampiasaina dia vokatry ny fitarihana sy fiaraha-miasan’ny Kaominina Androhibe sy ny Faritra Analamanga ary ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena.
Fampianarana tsara kalitao no antoky ny ho avy mamirapiratra !