Compétences communales

(Décret 2006-910) :
Article 61 :
 En l’absence des propriétaires du sol, et après des recherches infructueuses diligentées par le titulaire de Permis minier puis par le Maire de la Commune concernée le cas échéant, c’est ce dernier qui délivre l’autorisation d’entreprendre des travaux de recherche ou d’exploitation minières à l’intérieur des zones de protection visées à l'article 105, 1° du Code minier. En outre, dans le cas où le titulaire de Permis minier n'arrive pas à identifier et trouver les personnes qui ont des droits sur le sol, le Maire de la Commune concernée entreprend, à sa demande, la procédure décrite aux articles 329 à 343 du présent Décret.

Andininy 61 -
Amin' ny tsy maha-eo ny tompon’ny tany sy aorian’ny fikarohana tsy nahitam-bokany nataon'ny tompon’ny Fahazoan-dàlana momba harena an-kibon’ny tany ary ny Ben’ny Tanana ao amin' ny Kaominina voakasik’izany nony avy eo raha ilaina, io farany io dia manome ny fanomezan-dàlana hanao ny asa fikarohana na fitrandrahana harena an-kibon' ny tany ao anatin'ny faritra fiarovana voalaza ao amin’ny andininy faha-105. 1° amin ny Fehezan-dalàna mifehy ny harena an- kibon’ ny tany.
Ankoatr'izany, raha toa ilay tompon'ny Fahazoan-dàlana momba ny harena an-kibon' ny tany ka tsy afaka mamantatra sy mahita ireo olona manan-jo amin’ny tany, dia arahin’ny Ben'ny Tanana ao amin ny Kaominina voakasik'izany, araka ny fangatahany, ny paika voalaza ao amin’ny andininy faha-329 ka hatramin’ny faha-343 amin’ ity didim-panjakana ity.

LOGIN