Compétences communales

Loi n°99-022
Article 68 :
L'orpaillage est effectué en vertu d'une autorisation d'orpaillage délivrée par les autorités des Communes du ressort suivant les modalités définies au présent Code.
 
La carte d'orpailleur, dont le modèle est défini dans les textes d'application du présent Code, constitue la matérialisation de l'autorisation d'orpaillage.
 
L'autorisation d'orpaillage est valable a l'intérieur de la circonscription de la Commune qui l'a délivrée, et en dehors des périmètres couverts par des permis miniers sauf accord des titulaires desdits permis.

And. 68. -
Fanomezan-dàlana hisivam-bolamena, izay omen' ny manampahefana ao amin' ny Kaominina eo an-toerana araka ny fombafomba faritan' ity Fehezan-dalàna ity, no ahafahana manao ny fisivanam-bolamena.

Manamarina ny fahazoan-dàlana hisivam-bolamena ny karatra maha-mpisivam-bolamena izay faritan' ny rijan-teny fampiharana ity Fehezan-dalàna ity ny ohatra fakan-tahaka momba azy.

Manan-kery ao anatin' ny fileovan' ny Kaominina namoaka azy nefa eny ivelan' ny vakim-paritra voarakotry ny fahazoan-dàlana, afa-tsy ny fisian' ny faneken' ny tompon' izany fahazoan-dàlana voalaza izany, ny fanomezan-dàlana hisivam-bolamena.

LOGIN