Compétences communales

Loi 2015-052 :
Article 177 :
Lorsque la zone d'aménagement concerté est confiée à un établissement public d'aménagement ou une société d'économie mixte par voie de convention, la gestion de l'opération d'aménagement intervient quand la Collectivité territoriale décentralisée s'est rendue maître de la zone par acquisition amiable des propriétés et exceptionnellement, par la voie de l'expropriation initiée par la puissance publique.

Par contre, la Collectivité territoriale décentralisée peut lui déléguer la procédure d'acquisition foncière.
\r\n

And. 177. -

Ny fangatahana\r\nfampanarahana ny hitsiny sy fampitoviana dia alefa amin’ ny Ben’ ny tanànan’ ny\r\nKaominina voakasika.

\r\n\r\n

Raha toa izany ka asam-panorenana hatsangana ao amin’ ny faritry ny\r\nvangongon-tanàna ankoatra ireo hatsangana manaraka ny tandavan’ ny\r\nlalam-pirenena, dia ny Ben’ ny tanàna no mamaritra eo amin’ ny tany anatin’ ny\r\nfe-potoana roapolo andro manomboka amin’ ny vaninandro ametrahana ny\r\nfangatahana, ny farafetran’ ny lalam-bahoaka sy ny fampitoviana. Anaovana\r\nfitanan-tsoratra sosony roa ny lahasa tontosaina izay ahitana tsoa-tsoratry ny\r\ndrafitry ny fampanarahana ny hitsiny sy ny mariky ny fampitoviana ka ny sosony\r\niray dia hijanona am-pelatanan’ ny voakasika.

\r\n\r\n

Ao anatin’ ny fe-potoana dimy andro no andefasan’ ny Ben’ ny tanàna ny\r\nfangatahana any amin’ ny Sampan-draharaham-paritra miandraikitra ny fanajariana\r\nny tanàn-dehibe sy ny toeram- ponenana raha toa asam-panorenana hatsangana\r\nmanamorona ny lalam-pirenena na an-tsaha aza no asiana azy.

\r\n\r\n

Ny sampan-draharaha mahefa voatondro etsy ambony no manoritra amin’ ilay\r\ntany ao anatin’ ny fe-potoana folo andro ny farafetran’ ny lalam-bahoaka.\r\nAnaovana fitanan-tsoratra sosony roa ny lahasa tontosaina izay ahitana\r\ntsoa-tsoratry ny drafitry ny fampanarahana ny hitsiny sy ny mariky ny\r\nfampitoviana ka ny sosony iray hijanona am-pelatanan’ ny voakasika.

\r\n\r\n

LOGIN