Compétences communales

Loi 96-025 :
Article 14 :
Toutes les demandes ayant fait l’objet d’une décision favorable du conseil de la commune de rattachement seront présentées sous forme d’une requête commune, établie par les soins du Maire de ladite Commune sur la base d’une formule type dont le contenu sera fixé par voie réglementaire. La requête doit préciser toutes les caractéristiques des demandes approuvées par le conseil de la Commune de rattachement, notamment les ressources objet de la demande de transfert, l'identité des communautés de base demanderesses. Elle porte mention des motifs ayant déterminé la décision du conseil et indique les priorités que le conseil estime devoir être prises en compte dans les contrats de gestion. La requête signée par le Maire et toutes les communautés de base concernées est transmise au représentant de l’Etat auprès de la Commune de rattachement, aux fins d’agrément, par l’autorité administrative compétente.
And. 14. -
Ireo fangatahana rehetra nandraisan’ ny fiiankevitry ny Kaominina iankinana izany fanapahan-kevitra ankasitrahany azy izany, dia hatolotra amin’ ny alàlan’ ny fangatahana iombonana aroson’ ny Ben’ ny tanàna ao amin’ io Kaominina io araka ny drafitra filamatra izay hoferan’ ny didy amam-pitsipika ny ao anatiny.
Ny fangatahana dia tokony hamaritra mazava ny toetoetry ny fangatahana notoavin’ ny fiiankevitry ny Kaominina iankinana, indrindra ny loharanon-karena, antony nanaovana fangatahana famindram-piandraiketana ny fitantanana azy, ny anaran’ ny vondron’ olona ifotony manao fangatahana. Lazaina ao ny antony nahatonga ny fanapahana noraisin’ ny filankevitra ary tondroina ao ny laharam-pialohana izay heverin’ ny filankevitra fa tokony homena vahana ao amin’ ny fifanekem-pitantanana.
Ny fangatahana voasonian’ny Ben’ ny tanàna sy ny vondrona ifotony rehetra voakasika dia ampitain’ ny manampahefana tompon' andraikitra amin’ ny solontenam-panjakana ao amin’ ny Kaominina iankinana mba hotoavina.

LOGIN