FIZARANA FANAMPINA
Publication : 10/12/2021
Anio 10 Desambra 2021, dia tonga teto amin’ny Kaominina Bemasoandro Distrika Atsimondrano ny Association IFi (Isika Fikambanana miaraka amin'ny Andry RAJOELINA), nizara fanampiana ho an’ireo zokiolona, sembana, ankizy ary ny sahirana teto anivon’ny Kaominina Bemasoandro, izay tarihin’ny filohan’ny fikambanana RANDRIAMANDIMBY Richard sy ny biraon’ny Association IFi.
Miisa 200isa mahery eo ireo nisitraka tao anatin’ny Fokontany 6 (enina) izay mandrafitra ny Kaominina Bemasoandro, ireto avy ny zavatra nozaraina tamin’izany izay samy notsin-jaraina isan’olona:
Patte 2isa, Vary 1 kg, Bisky, Vovon-tsavony 1isa, lamba fitafy ary mofo, tsy adino ihany koa ny fizarana cache bouche 1 isa ,amizao fianakin’ny valan’aretina izao, mba ho fitondrana ny fiparitahan’ny aretina.
Izany dia notron’ireo :
Ny filohan’ny Fikambanana IFi sy ireo Birao miaraka aminy
Ny Ben’ny Tanana sy ny mpiara miasa aminy
Ny Mpanolon-tsaina Kaominaly
Ny Association LAFATRA sy ireo mpiara miasa aminy
Ny Lehiben’ny Fokontany 6isa
Nifarana tamin’ny 1ora tolakandro ny fizarana ary nizotra tsara, sy nahazo ny anjaran’ny avokoa ireo mpisitraka rehetra, noho izany dia maneho fankasitrahana ho antsika rehetra ireo izay nahafoy andro sy fotoana ary nanome tanana ho an’ny vahokan’ny Kaominina Bemasoandro.