FANAMBOARANA LALAN-KELY PHASE III
Publication : 10/09/2020
FANAMBOARANA LALAN-KELY PHASE III
Na dia eo aza ny fihibohana noho ny fiparitahan’ny tsimokaretina COVID-19 dia miroso hatrany ny asa eto anivon’ny Kaominina Sabotsy Namehana toy ny fanamboarana “lalan-kely phase 3”, izay vatsian’ny AFD (Agence Française de Développement) vola.
Nidina nijery ifotony ny fandehanan’ny asa fanamboaran-dalana tamin’ireto fokontany misitraka izany (Andidiana, Ambohibary, Manarintsoa, Namehana, Antsofinondry, Beravina, Antsahatsiresy), ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Sabotsy Namehana sy ny mpiara-miasa aminy niaraka tamin’ireo Mpanolotsaina Kaominaly.
Eo amin’ny 45%n’ny asa fanamboarana no efa vita, ary nisy ihany koa anefa ireo asa tsy maintsy hiverenana hatao noho ny tsy fahampian’ny dosage toy ny tao amin’ny Fokontany Beravina.
Nandritra ny tsihirihana natao dia tsikaritra fa misy manary fako sy rano maloto ny lalana koa entanina araka izany ireo mpahazo tombontsoa sy ny mponina rehetra mba hikajy sy hanaja ary ho saro-piaro amin’ireo fananana iombonana ireo.
#Agence_Française_de_Développement
#Commune_Sabotsy_Namehana