Compétences communales

Loi 2008-013 :

Article 15 -
Certaines parties du domaine public, à l’exception de la bande
littorale  de  la  mer  et  des  emprises  de  voies  publiques  fixée  à l’article 3 ci-dessus, peuvent faire l’objet d’affectations privatives, sous la forme :
a)D’un contrat de concession, d’une durée maximale de trente ans, renouvelable.  Le  contrat de  concession  confère  au  bénéficiaire  le  droit d’exploiter une dépendance du domaine  public  déjà  appropriée  à  sa destination,   à   condition   de   maintenir   cette   destination,   ou   une dépendance   du   domaine   public   créée   par   leur   industrie,   avec   la
possibilité de percevoir à temps, au lieu et place de l’administration concédante, les revenus à provenir de cette dépendance ;
b)D’une  autorisation  d’occupation  temporaire,  d’une  durée  d’une année renouvelable, révocable à toute époque sans indemnité, pour une cause d’intérêt général, et comportant pour les titulaires, droit d’utiliser à leur profit exclusif, moyennant redevance, une portion déterminée du domaine  public.  L’occupant  ne  peut  procéder  qu’à  des  installations
précaires et démontable
\r\n\r\n

Andininy 15 –

Ny ampahany sasantsasany amin’ny\r\ntanim-panjakana tsy azo amidy, ankoatra ny tsorian-tany amoron-dranomasina sy\r\nny fifamatorana amin’ny arabem-panjakana feran’ny andininy faha-3 etsy ambony\r\ndia azo anaovana fanokanana manokana miendrika : 

\r\n\r\n

a) Fifanekena famelana hanao asa avy\r\namin’ny Fanjakana, amin’ny fepotoana farafahelany telopolo taona azo avaozina.\r\nNy fifanekena famelana hanao asa avy amin’ny Fanjakana dia manome zo ny mpahazo\r\nazy hitrandraka zavatra miankina amin’ny fananana an’ny fanjakana izay efa\r\nnekena ny fampiasana azy, raha toa anefa ka tazonina io fampiasana io, na\r\nzavatra miankina amin’ny fananana an’ny Fanjakana natsangany tamin’ny heriny,\r\nka ahafahany mandray ara-potoana, amin’ny toerana sy amin’ny anaran’ny\r\nfitondram-panjakana mpamoy, ny vokatra avy amin’io zavatra miankina io ;

\r\n\r\n

b) Ny fanomezan-dàlana hipetraka\r\namin’ny fotoana voafetra, amin’ny fepotoana herintaona azo avaozina, ka azo\r\nfoanana tsy misy tambiny amin’ny fotoana rehetra, noho ny tombontsoan’ny\r\nbesinimaro, ary  ahazoan’ny mpahazo ny zo\r\nhampiasa, ho amin’ny tombontsoany tanteraka, ampahan-tany voafaritra ao amin’ny\r\ntanim-panjakana tsy azo amidy, ka andoavam-bola. Tsy mahazo manangana afa-tsy\r\ntsanganasa marefo sy azo arodana ny mipetraka.

\r\n\r\n

Andininy 16 –

Azo atao ny mamoaka, ao anatin’ny telopolo taona,\r\nna ho an’ny fitondram-panjakana, na ho an’ny sosaiety, na ho an’olon-tsotra,\r\nfanomezandàlana manokana manome zo hioty vokatra voajanaharin’ny tany (fikapana\r\nna fandrantsanana hazo, ets…), hihady fitaovana (tany, vato, fasika, ets…),\r\nhanao vovon-drano amin’ny zavatra miankina amin’ny tanim-panjakana tsy azo\r\namidy, hampiasa amin’izany ny zo hihaza sy hanjono, ka andoavam-bola.

\r\n\r\n

Andininy 17 –

Amin’ny tranga voalazan’ny andininy faha-15 sy\r\nfaha-16 etsy aloha, ny famelàna hanao asa avy amin’ny Fanjakana, fahazoan-dàlana,\r\nna fanomezan-dàlana, dia azo omena amin’ny alàlan’ny fifanarahana arapihavanana\r\nna paika fampitongoam-bidy.

\r\n\r\n

Ny hofa fandoa dia azo lazaina ho vokatra, na lelavola.

\r\n\r\n

Andininy 18 –

Ny fifanekena\r\nfamelana hanao asa avy amin’ny Fanjakana sy fanomezan-dàlana dia anaty\r\nfahefan’ny Minisitra miandraikitra ny Sampandraharahan’ny Fizakan-tany raha\r\ntanim-panjakana tsy azo amidy, ary an’ny solontenan’ny\r\nvondrombahoakam-panjakana raha tanim-panjakana tsy azo amidy miankina aminy.

\r\n\r\n

Ny fanafoanana, ny fanapahana na ny fandravana dia miankina amin’izany\r\nfahefana izany koa. Ireo sora-panekena samihafa ireo dia avoaka araka ny\r\nfombafomba voalazan’ny rijan-teny mikasika azy ireo.

\r\n\r\n\r\n\r\n

LOGIN